Andasibe: Nanimba andrinjiro ny doro tanety
23 Novambra, 08h30. Nitrangàna doro tanety teo amin’ny 5km an’Andasibe. Andrin-jiron’ny JIRAMA miisa telo izay samy mitondra herinaratra mavesatra no lavon’ny afo nandritra izany. Efa an-dalam-pikarakarana ny fanoloana ireo andrin-jiro potika ireo ny eo anivon’ny orinasa JIRAMA ka aorian’izay vao hiverina ny herinaratra ao Andasibe sy ny manodidina.
