ActualitésTatitra

Seychelles : Nanao sonia fifanarahana tamin’i Inde hiadiana amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny nosy

Niakatra ny tahan’ny fanondranana zava-mahadomelina, olona, jono tsy ara-dalàna tao Seychelles. Manoloana izany dia nandray fepetra hanafongorana io lesoka io, tohanan’ireo mpiara-miasa ny governemanta. Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’i Inde momba ny fifanankalozana vaovao eo amin’ny fiarovana an-dranomasina ny nosy ny herinandro lasa teo.

Haharitra 2 taona io fiaraha-miasa io izay mikendry ny fampiroborobo ny fiaraha-miasa amin’ny fahazoan’antoka sy ny fiarovana an-dranomasina. Entina hanamorana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fifanakalozana mpiasa, vaovao, teknolojia ary fampiharana ihany koa io fifanarahana io raha ny fanazavan’ny talen’ny RCOC  (Centre des opérations de coordination régionale), Sam Gontier.

Laisser un commentaire