Faritra Amoron’i Mania: Nisitraka fanampiana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy.
Dépêche 27 février, 10h30, Toy ireo faritra rehetra izay nandalovan’ny rivo-doza Freddy ka namelany takaitra dia nisitraka fanampiana ihany koa ny Faritra Amoron’I Mania. Natolotra an’ny distrikan’Ambositra ny » Lampes cobras » miisa 70 ary 40 ho an’ny distrikan’i Fandriana. Nomena Vary miisa 680 gony sy tafo fanitso, voamaina, Menaka, koveta, savony koa ny mponina. Ny fanampiana tsikelikely toy izao anefa tsy ahazoana tombony ka tokony efa hikarohana vahaolana ny mety ho loza ateraky ny loza voajanahary izay tsy maintsy misy foana isan-taona.
