ActualitésTsidika

Fizahantany: Toerana fandraisam-bahiny miisa 12 nahazo alalana amin’ny fisokafana.

Nahazo alalana avy amin’ny Ministeran’ny Fizahantany ireo toerana fandraisam-bahiny 12 vaovao hisokatara. Izany dia ao anatin’ny asa fampiroboroboana ny fizahantany hatrany. Tsar any manamarika fa ireo toerana izay tsy manana alalana amin’izany fisokafana izany dia enjehin’ny lalàna ka mahavoasazy avy hatrany izany.

“Miisa 12 indray nanomboka ny volana janoary ireo toerana misokatra ara-dalàna manerana ny Nosy izay hampahafantarina fa 4 Hôtels – Restaurant, hotely 1, toeram-pialan-tsasatra 1, toeram-pisakafoanana 3, snack – café 2 ary fast food 1. Niara-dalana tamin’izany dia licence B miisa 4 ihany koa no nozaraina ho an’ireo voyagistes sy tours opérateurs. Tanjona iray hatrany no anton’izany dia ny hampanarahana lalàna ny mpandraharaha sasany ary hampiroboroboana ny fizahantany”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany.

“Misy ny raharaham-pitsarana izay tsy maintsy hatao amin’ireo izay tsy manaraka ny lalàna rehetra mahakasika ny fizahantany eto Madagasikara, tafiditra amin’izany ireo izay tsy manana fahazoan-dalana hisokatra. Mety hiafara hatramin’ny fanakatonana ilay toerana mihitsy raha marina ny filazana mahakasika ny zava-misy ao an-toerana”, hoy ny nambaran’ny Mpitsara iray.

Araka izany dia tokony samy hanana sy hamaky ny « Decret n°2001-27 du 10 janvier 2001 relatif aux normes régissant les entreprises, établissements et opérateurs touristiques ainsi que leurs modalités d’application » avokoa ireo mpisehatra ka hampanara-dalàna ny asany. Tokony foanana ihany koa ny kolikoly amin’ny fanatanterahana ny taratasy rehetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire