Avy amin’ny vahoaka no antony mampaloto ny tanàna
Isan’ireo renivohitra voasokajy ho maloto indrindra Antananarivo izay tena mahamenatra tokoa. Tsy ny mpitondra anefa no voretra fa ny mpampiasa ny tanàna mihitsy. Betsaka ny mbola manary sy manipy fako eny rehetra eny na dia efa napetraka aza ny daba-pako. Eo ihany koa ireo tsy te hisasatra ho any amin’ny toeram-pivoahana iraisana ka manao ny malotony eny rehetra eny. Raha mbola ahiatana soratra hoe Tsy azo anaovana maloto eto, mbola maloto izany ny tanàna. Ny Alahady teo anefa, gaga izay sendra nandalo teny amin’iny Ankorondrano, Antanimena, Besarety, Avaradoha, Analakely Soarano iny fa tena nadio ny lalana sady nalalaka tsy nisy ohatr’izany. Nilamina sy tony ny tananàna, toy ireny nisy fanadiovana goavambe ireny natao teny an-toerana. Kanefa asa toy ny isan’andro ihany no nataon’ireo tompon’andraikitrin’ny fahadiovana teny anivon’ny boriborintany rehetra. Fa inona ary no zava-nisy ? Alahady ny andro, tsy dia nivoaka ny trano ny olona, tsy nivarotra ny mpivarotra amoron-dalana, tsy nahitana mpitarika kalesa nandehandeha teny rehetra teny nivarotra voankazo. Nihena araka izany ny mpandoto sy mpanary fako erakin’ny tanàna. Noho izany tsy miankina amin’ny mpitondra sy mpitantana ny tanana irery ny fahadiovan’ny tanàna fa indrindra amin’ny fitondrantenantsika vahoaka. Tsy mbola nisy manam-pahefana nanary na nanipy fako teny amin’ny arabe rehetra teny fa isika vahoaka izay tena mpampiasa ny toerana no tena fototra kanefa isika ihany no mimenomenona rehefa sepotry ny fofona. Mila ny fahatongan-tsainan’ny tsirairay izy ity, raha samy manaraka ny lalàna amin’ny fahadiovana isika rehetra dia ho tanan-dehibe madio sy maha te honina ity Antananarivo renivohitra ity ary tena mendrika amin’izany anarany izany tokoa.
Nicole Rafalimananjara
