SocialTsidika

Mpitandro filaminana miady amin’ny asan-dahalo

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny ady amin’ny aretina Covid-19 ny firenena ankehitriny. Ary hita fa miditra an-tsehatra bebe kokoa amin’izany ny mpitandro filaminana. Na eo aza anefa izany, manana andraikitra hafa ny mpitandro filaminana satria tsy amin’izany aretina izany irery no ilàna filaminana. Raha tsy misy vokatra mivaingana mantsy tsy mba hita hoe niasa izy ireny kanefa mafy ny adiny. Ny olon-drehetra miady amin’ny coronavirus fa zareo sady miady amin’ny aretina no miady amin’ny asan-dahalo. Azon’ny miaramila avy ao amin’ny holafy 504A 1/RM5 Antanandava indray manko ny iray tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Morombe ny 08 aprily lasa teo. Ity fanafihana ity izay nandratràna mpiambina roa lahy tao amin’ny tanàna voalaza etsy ambony. Mbola eo am-pikarohana ireo mpiray tsokombakomba aminy kosa ireo miaramila amin’izao fotoana izao. Ny olom-boafidy tany an-toerana no nanome ny vaovao ara-potoana ireo miaramila nahafahan’izy ireo nihetsika avy hatrany. Miezaka foana ny mpitandro filaminana araka izay tratrany amin’ny fampandriana filaminana amin’izany.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire