ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Nisitraka Tsena mora ny mponina

Nisitraka ny tsena mora ny fokontany Faravohitra ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra afak’omaly. Hita ho tena betsaka ireo olona liana amin’izany ary tena manampy azy ity tetik’asa ity.

« Mahavita izay ho vitany ihany aloha ity tsena mora ity na dia tsy isan’andro aza. Tena ilaina tokoa ny tahaka izao manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana izay efa hiaraha-mahita ity » hoy i Clara, mponina ao Anosy Avaratra. « Miroso tsikelikely amin’ny hisitrahan’ny fokontany rehetra ny tsena mora izahay. Tsara anefa raha manaraka hatrany ny fandaminana apetraka eny an-teorana isika vahoaka » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra.

Misy tokoa ireo olona miandrandra mafy ny tsena mora. Mora mihoatra ny amin’ny mpivarotra tsotra mantsy ny entana ao izay saika ireo ilaina amin’ny andavanandro toy ny menaka sy ny vary.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire