ActualitésTsidika

Ambanidia : Tanàna nivoahan’ny sarimbavy voalohany

Tao Ambanidia no nisian’izany fanaovana sarimbavy izany voalohany teto amin’ny faritanin’Imerina. Nisy maromaro izy tao fa i Raivomahatana no tena nalaza satria izy dia sady mpihira tena nikoizana tokoa tao anatina tarika iray mpiangaly hira tsangana izay fanao fahagola. Marihina fa tamin’ny faha mpanjaka no nisian’ny sarimbavy voalohany teto Antananarivo.

« Fahiny mantsy ny manam-boninahitra sy ny andriana dia samy manana tarika mpanao hira tsangana avy, izay sahala amin’ny hira gasy amin’izao fotoana. Isan’ny tena nahay tamin’izany ny tariky misy an’i Raivomahatana sarimbavy tao Ambanidia, Imanandala teo avaratr’Ilafy, Mavolahy teto Analamanga sy ny maro hafa » hoy i Rasoanaivo, mpahay tantara. « Vavivay fihetsika, vavivavy firesaka ireo sarimbavy ireo. Somary niafina izy ireo noho ny tsy faneken’ny fiarahamonina azy ireo, eny fa hatramin’izao aza. Misy efa voajanahary anefa izy ireo ary tsy afaka ovaina fa izay mihitsy ny vatany » hoy ny mpikaroka iray.

Miha mivoatra manaraka ny vanimpotoana tokoa ny sarimbavy amin’izao. Misy aza ireo misafidy ny ho vehivavy mihitsy ary mamadika ny vatany ho toy ny an’ny vehivavy. Misy kosa ireo lehilahy ny vatany fa mitondra tena toy ny vehivavy fotsiny indrindra eo amin’ny fihetsika.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire