Fahasalamana : Maimaimpoana ny fitiliana sy ny fanafody ho an’ireo olona voatokana
Misy manomboka ieao ny fitiliana sy ny fanafody maimaimpoana ho an’ireo mponina voakasik’izany ao amin’ny kaominina Viliahazo. Ireo zaza latsaky ny 5 taona sy ny vehivavy bevohoka sy hiteraka ary ireo terabao latsaky ny 1 volana sy tapany no misitraka izany.
« Azo lazaina ho olona marefo ireo sokajin’olona ireo. Tsara raha omena fanohanana ara-pahasalamana maimaimpoana sahaza azy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Viliahazo. « Sakana tsy hisitrahan’ny rehetra fahasalamana ny tsy fisian’ny vola. Ny vehivavy bevohoka anefa aina roa ary mila fanaraha-maso akaiky, eo ihany koa ny zazakely » hoy ny avy ao amin’ny CSBII Viliahazo.
Tsara tokoa raha miparitaka amin’ny kaominina maro ity tetik’asa fampisitrahana fahasalamana maimaimpoana ho an’ireo sokajin’olona marefo, mila fanaraha-maso akaiky ireo.
Nicole Rafalimananjara
