ActualitésTatitra

ONU : Rivodoza naharitra ela indrindra ny rivodoza Freddy

Nanao fanambarana ny ONU fa voarakitra ho rivodoza naharitra ela indrindra eran’izao tontolo izao ny rivodoza Freddy. Mamely an’i Mozambique indray ity farany rehefa avy niverina tao Madagasikara. Mbola manohy ny fandripahany hatrany io rivodoza io hoy i Clare Nullis, mpitondra tenin’ny OMM (Organisation météorologique mondiale) tao Genève.

Raha tsiahivina dia tao amin’ny morontsiraka avaratr’i Australie no niforony ity andro ratsy ity. Ny 6 febroary kosa izy no lasa rivodoza ary nomena ny anarana hoe Freddy. Efa 33 andro no nanomezana anarana an’io rivodoza io noho izany. Nisongona ny faharetan’ny rivodoza John izay niseho tany amin’ny taona 1994 tany izy, izay naharitra 31 andro.

Laisser un commentaire