ActualitésTatitra

Etats-unis : Vehivavy iray sy ny zanany no maty voatsindron’antsy tao New York

Vehivavay iray antsoina hoe Gabrielle Muniz, 26 taona sy ny zanany vavy Rozara Estevez, 6 taona no hita faty tao an-tranony tao New York. Nahatsikaritra ireo mpamonjy voina tonga teny an-toerana fa nisy tsatok’antsy maromaro avy izy mianaka ireo.Raha ny fanazavan’izy ireo dia mbola nisitrika tao anaty lamba ilay zaza. Nilaza ny mpiray tam-po tamin’ilay vehivavy maty fa mbola nahita io reniny io maty io zaza io talohan’ny nahafatesana raha ny toerana nahitana ny razana.Niompana tany amin’ny olotian’i Gabrielle Muniz, Caleb Duberry, 34 taona kosa ny ahiahin’ny manam-pahefana. Nisaraka taminy mantsy io renim-pianakaviana io talohan’ny tranga ary nisy nahita niala ny tranony nanodidina ny 4 ora tany an-toerana izy.Natao ny fikarohana io lehilahy io ary hita tao an-tranony, kilometatra maromaro niala ny tranon’i Gabrielle Muniz. Nihidy aman-trano tao io lehilahy io ary namono tena ihany koa.

Laisser un commentaire