Fizahantany: Manantena ho avy tsara amin’ity sehatra ity ireo mpisehatra tsy ankanavaka.
Miandry ho avy tsara amin’ny sehatry ny fizahantany ireo mpisehatra tsy ankanavaka. Maro ireo liana sy mazoto amin’ny asa manodidina ity sehatra ity. Roa vola alaohan’ny Tsenaben’ny Fizahantany “Salon ITM” dia efa 70% amin’ireo “stands” no efa voanfandrik’ireo mpisehatra te handray anjara amin’izany. Marika izany fa mbola malalaka ny lalana ary mbola misy ny fanantenana hahafahana mikaroka vola amin’ity sehatra ity. Etsy andaniny anefa dia mbola mazoto sy vonona ny hampiroborobonny sehatra ireo mpandray anjara.
“Ansian’ny teboka iray afaka hampiakatra ny harikarena faoben’ny Madagsikara ny fizahantany ka mbola azo trandrahina tsara. Mahavelombolo ny mahita ny fahazotoan’ny mpandray anjar amin’ny salon ITM izay tsy mitsahatra mitombo. Samy manana ny sehatra hivoarany ireo mpandray anjara ireo fa ny tanjona dia tokana dia ny hamerina indray ny fampiroboroboana ny fizahantany taorian’ny valan’aretina covid-19”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany.
Ankoatra ireo mpampiranty anefa dia maro ihany koa ireo mpiara-miasa amin’ny fanatanterahana ny hetsika. Marihina fa efa andinay faha-9 ity amin’ny volana jona ity izay milohahevitra hoe “tourisme durable et digitalisation”. Miisa valo 8 ireo orinasa vonona hiara-hiasa amin’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny hetsika.
“Ny fahitana ny tokony hampiroboroboana ity sehatra no nahatapaka hevitra ny orinasa hanolo-tanana amin’ity hetsika ity. Maro tsy tambo isaina ireo tombontsoa afaka sitrahana amin’ity sehatra ity ka tokony hampiana sy omena tosika hatrany”, hoy ny avy ao amin’ny orinasa Fly Technologies.
Hanomboka ny 15 jona ka hifarana ny 18 jona izao ity hetsika lehibe mahakasika ny fizahantany ity di any “salon ITM” izany. Hitondra tsikelikely an’ny Madagasikara any amin’ny tanjona lehibe ity hetsika ity ka hahafahana manatratra ny 1 000 000 mpizahatany amin’ny 2028. Maro ny sehatra mbola azo hidirana raha te handraharaha amin’izany.
Miora Raharisolo
