ActualitésTsidika

FOKONTANY LOHARANOM-BATO / KAOMININA AMPITATAFIKA : TSY MISY MIJERY IREO LALANA SIMBA

Tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny ben’ny Tanana ny kaominina Ampitatafika manoloana ireo fahasimban-dalana ao amin’ny fokontany Loharanom-bato raha araky ny fanampim-panazavana notanterin’ny lehiben’ny fokontany Nicole RAZAFINDRATAVY. Efa ho telo volana izay no simba tanteraka ny ampahan-dalana mampitohy io fokontany io amin’ny kaominina Ampitatafika. Tsy nandray ireto solotena teo anivon’ny fokontany anefa ny tompon’andraikitra teo amin’ny kaominina Ampitatafika fa ny kaominina Ambavahaditokana no nandray sy nanatanteraka ny asa fanarenana ity ampahan-dalana ity.

Ankoatra izay, dia mbola olana mipetraka ihany koa ho an’ity fokontany ity ny fahatapan-drano lavareny raha fanampim-panazavana nentin’ny lehiben’ny fokotany. Ny teo anivon’ny kaominina izay tsy nahazoana valiteny maha afapo raha tonga naka fanampim-panazavana ny mpanao gazety

Laisser un commentaire