ActualitésTsidika

Alasora : Mitohy ny fitandroana filaminana sy fandaminana ataon’ny polisy

Mitohy hatrany ny fisafoana ataon’ny polisim-pirenena, avy ao amin’ny kaominina Alasora, indrindra fa amin’ny alina. Tanjona ny mba hisian’ny fandriam-pahalemana hatrany ao an-toerana sy hilaminan’ny vahoaka, araka ny voalaza.

“manao ezaka hatrany ny polisy avy eto amin’ny kaomisarian’Alasora amin’ny fitandroana sy  fandaminana ny tanàna eto Alasora sy ny manodidina. Ao anatin’izany dia hamafisina ny fisafoana amin’ny alina na ny patrouille de nuit mba hialana amin’ireo tranga maro samihafa toy ny vaky trano sy ny fanakorotanana isan-karazany” hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

“Tena ilaina mihitsy ny hetsika tahaka izao satria efa iaraha-mahalala ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. angatahana amin’ny tmponandraikitra mihitsy tokony asiana isan’alina tsy tapaka fa tsy atao matetika foana ihany satria ny mpanao ratsy ihany koa dia efa fetsy” hoy i Norbert, mponina ao Alasora.

Ao anatin’ny fanatanterahana izany ezaka izany moa, dia manentana hatrany ny mponina ny avy amin’ny polisim-pirenena amin’ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana, indrindra ny fampilazam-baovao raha misy ny tranga hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina. Azo atao moa ny kaomisarian’ny polisy amin’ny laharana 0340553108 sy ny 0340751719.

Laisser un commentaire