SocialTatitra

Japon : Maherin’ny 200 isa no maty, 102 tsy hita popoka

Araka ny tatitra navoakan’ny departemanta Ishikawa, farany, taorian’ny nitrangan’ilay horohoron-tany niseho tao an-toerana, ny 01 janoary 2024 teo, izay ao amin’ny faritra afovoan-tany ao Japon, dia maherin’ny 200 isa ireo olona maty nandritra izany. Tsy mbola nahitana vaovao kosa ny mahakasika ireo olona miisa 102 tamin’ireo 120 tsy hita popoka. Amin’izao fotoana, trano efa ho 60.000 no mbola tsy misy rano mandeha ary maherin’ny 15.000 no mbola tsy misy jiro, raha toa ka efa nisy horohoron-tany vaovao tany ambanin’ny rano izay namely ity  faritra iray ity ihany.

Laisser un commentaire