Syrie : Miverina ho amin’ny fiainana mahazatra.
Niaina teo amban’ny fanarahamason’ny vondrona islamika ny tao Syrie nandritra ny 3 taona izao. Ny taona 2017 izy ireo vao afaka tamin’ny fitantanan’ireto vondrona ireto. Telo taona taorian’ny nahafahany, miverina amin’ny fiainana efa nahazatra azy ireo tsikelikely ny mponina, indrindra ny ao amin’ny tananan’ny Raqqa. Azon’izy ireo atao ankehitriny ny milalao baolina kitra, ny mamaky boky any amin’ny toerana fanaovana izany. Voarara mantsy izany rehetra izany tamin’ny fotoana nitantanan’ny vondrona islamika. “Midika ho zava-dehibe ho antsika ny filalaovana baolina kitra. Tamin’ny fotoana nitantan’ireo silamo, ny fanazaran-tena no fanaonay tany an-trano. Tsy afaka nilalao fanatanjahan-tena izahay” hoy ny mponina iray tao amin’izy ireo. Toa azy, mponina maro hafa ao Raqqa no faly fa afaka miverina miaina ny fiainany toy ny teo aloha indray.
