République du Congo : Mandrara ny hijerena mialoha ny vato nalatsaky ny tafika ny fiangonana katolika
Nomena alalana hifidy mialohan’ny rehetra ireo mpiandraikitra ny fandriam-pahalemana ao Congo ny alarobia 17 martsa. Mbola amin’ny 21 martsa kosa ny fandrotsaham-bato ho amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity ho an’ny daholobe. Tsy nankatoavin’ireo manam-pahefana mpanara-maso avy ao amin’ny fiangonana katolika eo an-toerana anefa izany raha ny vaovao voarain’ny AFP. Tsy ny avy eo nivon’ny fiangonana katolika ihany anefa no mitsapaka izany fa ireo mpanohitra isan-tsokajiny ihany koa. Manahy ny mety hisian’ny fangalaram-bato hatrany izy ireo. Nambaranny teo anivon’ny CNEI na ny birao misahana ny fifidianana ao an-toerana fa tsy ho kitihina mihitsy ireo vato nalatsaky ny mpitandro ny filaminana ireo raha tsy vita tanteraka ny fifidianana. Nangataka ny handraisana ny manam-pahefana mpanara-masony araka izany ny eo anivon’ny fiangonana katolika hanan’izy ireo antoka ny amin’ny tsy hisian’ny fangalaram-bato. Na izany na tsy izany, efa nanomboka nandrotsa-bato ny alarobia 17 martsa lasa teo ireo manam-pahefana ao Congo.
