Liban : Olona roa no maty vokatry ny daroka baomba nataon’ny tafika Israely
Olona roa indray no maty vokatry ny daroka baomba nataon’i Israely, tao atsimon’i Liban, ny harivan’ny alarobia teo. Etsy ankilazan’izay anefa, mamely ny ao avaratr’ity firenena ity ihany koa i Hamas. Lasibatry ny fanafihana an’habakabaka nataon’ireo fahavalo Israelianina ny tanànan’i Siddiqin sy Kafra. Olona roa no maty tao anatin’izany ary olona 14 hafa no naratra. Efa ho isan’andro no misy fifampitifirana eo amin’ny tafika Israely sy ny Hezbollah Libanais, izay mpiara dia amin’ny Hamas, hatramin’ny nipoahan’ny ady teo amin’ny Israely ny volana Oktobra sy ny fihetsiketsehana Islamista Palestinianina monina ao Gaza. Misy ireo vondrona palestinianina ao Liban no mamaly ny fanafihana ataon’ireto farany.
