ActualitésTsidika

Fiaferana : Zaza roa no maty nilatsaham-potaka

Zaza roa no maty nilatsaham-potaka, tamin’ny talata teo, tao amin’ny kaominina Fiaferana. Nandritra ny fotoana nisian’ny orambe teto amin’ny faritra Analamanga no nitrangan’ny loza, araka ny ny voalaza.

« Mpianatra ao amin’ny sekoly iray ao Soanarivo ireo zaza ireto. Nanodidina ny tamin’ny mitatao vovona teo, vao nanomboka avy kely ilay orana dia niseho ny loza » hoy ireo manodidina.  « Anisan’ny loza mamely ary matetika miseho rehefa fotoam-pahavatra ny tahaka izao. Mila mailo sy mitandrina hatrany satria ny loza tsy mampilaza ary ny ray aman-dreny na ny mpampianatra dia tokony hanara-maso ny ankizy, indrindra rehefa fotoanan’ny orana » hoy i Meva, renim-pianakaviana.

Vanim-potoana ilàna fitandremana ny fotoam-pahavaratra. Maro ireo loza miseho amin’ny fotoana toy izao. Ilaina hatrany ny mitandrina, mailo ary manara-maso ho fisorohana ny loza samihafa.

Laisser un commentaire