Ambohimangakely : Toeran’ny fampivoarana sy fampandrosoana ho an’ny olona tsirairay ny Akamasoa
Tsara ny manamarika fa ny Akamasoa dia fikambanana miompana betsaka amin’ny maha olona, na ara-batana, na ara-panahy, na ara-tsaina. Noforonin’ny Père Pedro izy io, ary ity pretra ity mihitsy no nahatonga ity toerana ity ho nalaza.
Ireo olona sahirana eny amoron-dalana na ireo mipetraka eny amin’ny toerana tsy zarizary no tena mikambana sy mamelona ity fikambanana ity. Noho ny fahitana ny fahasahiranan’ireo mponina sasany ireo no nahatonga ny fikambanana Akamasoa niorina ny taona 1989. Efa misy « site » efatra izao no ahitana ny Akamasoa, ary ahitana mponina 35 000.
« Ivontoerana iray manampy ny mponina rehetra indrindra ireo sahirana amin’ny fanabeazana ny zanany satria dia 18 000 olona amin’ireo mponina ireo dia mpianatra daholo. Efa ahitana EPP, CEG, lycée ary université ety an-toerana amin’izao fotoana izao », hoy i Liva, tompon’andraikitra ao amin’ny Akamasoa, sady mpampianatra ihany koa.
« Ankoatra ireo taranja any ampianarana ireo dia dieny mbola kely ireo ankizy sy tanora ireo dia ampianarina fa izay tsy miasa dia tsy mihinana, beazina mihitsy izy ireo hahay hitady sy hihary eo amin’ny fiainana mba hampivoatra azy sy ny ankohonany ary i Madagasikara », hoy hatrany ny fanazavana.
Toerana iray mafy fifampitondrana, ahitana fanabeazana maniry mafy ny hampivoatra ny maha-olona. Izany no hita eny amin’ity akany ity izay mitaiza olombelona efa an-jatony maro. Mbola mafy ny ady sy ny ezaka izay ataon’ireo tompon’andraikitra eny ka izay indrindra no ialiana fanomezan-tanana avy amin’izay tsara sitrapo rehetra.
Miora Raharisolo
