Sabotsy Namehana: Notanterahina tamin’ny herinandro lasa teo ny fivoriana faharoa an’ny SLC
Notanterahina tao amin’ny Espace Anjarafitiavana, tao Sabotsy Namehana, tamin’ny herinandro lasa teo ny fivoriana faharoan’ireo mpikamba 109 ao anatin’ny Rafitra Ifotony Fikaonan-doha (Structure Locale de Concentration) izay ao anatin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
“Nandritra izany fivoriana izany no nampahafantarana ny mpikambana ireo zava-bitan’ny kaominina tao anatin’ny folo volana sy ny famelabelarana ny tetibola fototra “sara sy haba” taona 2023 mialohan’ny handefasana izany hodinihina eo anivon’ny Mpanolotsaina Kaominaly ary ny fakan-kevitra hijerena ireo laharam-pahamehana amin’ny tetikasa 2023” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
“Ilaina ny fampahafantarana tahaka izao mba hisian’ny mangaraharaha ao anatin’ny kaominina, indrindra fa ny eo amin’ny resaka ara-bola sy ny asa fampandrosoana. Tsara ny manao tatitra hahafantaran’ny mponina ny vola miasa, miditra sy mivoaka ao anatin’ny kaominina” hoy I Mahefa, manampahaizana momba ny fitantanana.
Anisan’ny fitaratra ao anatin’ny kaominina ny fanehoana ny mangarahara ny tahaka izao. Ilaina ihany koa anefa ny fampahafantarana ny mponina eny ifotony hahafantaran’izy ireo ny fisian’ny asa fampandrosoana ara-drariny sy mangarahara.
Manitra Ramanantsoa
