ActualitésTsidika

SSMAF Ambohimangakely : Hosokafina sy hofaranana amin’ny fampisehoan’ireo artista malaza

Hiavaka dia hiavaka ny hetsika SSMAF andiany fahatelo amin’ity taona ity. Ity hetsika ity moa izay natao hanehoana ny fahaizana ara-kolontsaina, ara-panatanjahantena ary ara-zava-kanto. Araka izany dia zava-kanto hatrany no hamarihana ny fiantombohan’ny hetsika sy hamaranana izany.

« Ankoatra ny carnaval lehibe izay hotanterahina manaraka iny lalana Ambohimangakely iny dia hanasana ireo artista malaza manerana ny Nosy ihany koa ny fanombohana sy famaranana ny hetsika. Hisy ihany koa ny fampisehoana fahaizana ho an’ireo mpankafy ny “sports extremes” izay manoratra anarana. Hofaranana amin’ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo niavaka rehetra isaky ny taranja izay nataony », hoy i Hary, mpiakarakara.

Hanomboka ny 15 jolay izao ary tsy hifarana raha tsy ny 17 septambra ity hetsika ity. Mbola manana 24 andro amin’ny fisoratana anarana ihany koa ireo izay te handray anjara. Hifarana ny 30 jona ho avy izao izany. Azo atao ny manatona eo anivon’ny BTC raha te hahalala fanazavana misimisy kokoa satria isan-karazany ireo taranja hahafahana mandray anjara.

Miora Raharisolo 

ReplyForward

Laisser un commentaire