ActualitésTatitra

La Réunion : Misokatra ny herinandron’ny fahasalamana ara-pananahana tao amin’ny nosy

Nosokafana omaly 5 jona ny fankalazana ny herinandron’ny fahasalamana ara-pananahana tao amin’ny nosy La Réunion. Raha tsiahivina dia ankalazaina 5 hatramin’ny 9 jona izany ho amin’ity taona ity ary fotoana ahafahana miresaka momba ny lohahevitra toy ny fanekena hiray ara-nofo (consentement), ny fanabeazana aizana ary ny fisorohana ny aretina azo avy amin’ny firaisana.

Manoloana ny fankalazana kosa dia mikarakara hetsika fisorohana sy fampahafantarana manoloana ny fahasalamana ara-pananahana ny Collectif des Acteurs Réunionnais Engagés pour la Santé Sexuelle (Caress974) miaraka amin’ny vondrona ara-pahasalamana sy mpitsabo samihafa. Isany avohitra mandritra ity fankalazana ity ny mahazava-dehibe ny fahasalamana ara-pananahana, ny fisitrahana izany sns. Eo ihany koa ny fanaovana fitiliana VIH sy ny fiandraiketana 100% ny fanabeazana aizana ireo izay maniry ny hanao izany.

Laisser un commentaire