ActualitésCultureTsidika

Ankadikely Ilafy: Mitohy hatrany ny fête Foraine spécial vacances eny amin’ny fokontany

Mitohy hatrany ny hetsika famalifaliana ny ankizy eny amin’ny fokontany ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ho an’ny faran’ny herinandro teo, ny fokontany Ambohitrarahaba sy Antanandrano indray no nanatontosana  ny hetsika.

« Tahaka ny fanao isaky ny faran’ny herinandro dia tsy diso anjara ny teto amin’ny fokontany Antanandrano sy Ambohitarahaba. Velon-korana ireo ankizy ary nomena vahana ihany koa ny asa tanana sy ny seha-pihariana mampiavaka ny tety amin’ny fokontany. Izany moa dia anisan’ny tanjona ato anatin’ny fanatanterahana ny hetsika avokoa » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny fokontany.

« Efa ela no niandrasana ny hetsiaka tety an-toerana, indrindra ho an’ireo ankizy, amin’ireo karazana fialamboly nokarakarain’ny kaominina. Afak’andro izy ireo nandritra ny hetsika ka hisaorana ireo mpikarakara nanolotra ny hetsika » hoy i Tiana, mponina ao Antanandrano.

Tsiahivina hatrany fa ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo tomponandraikitry ny fokontany miisa 18 ao an-toerana no manolotra ity fête foraine spécial vacances ity. Tsy hisy diso anjara ny fokontany rehetra ao an-toerana ao anatin’izany.

Laisser un commentaire