Vondrona Panorama : Ilaina ny fanadiovana mialoha ny fifidianana
“Handray anjara mavitrika amin’io fikaonandoha momba ny raharaham-pirenena karakarain’ny FFKM io izahay, ary manan-javatra hoentina amin’izany. Eo hatrany ny amin’ny fanadiovana tokotany izay tsy azo ialana, indrindra ny mialoha ny fifidianana”, hoy i Rakotovazaha Olivier, avy amin’ny vondrona Panorama sady filoha nasionalin’ny antoko MFM, ny amin’ny mety hisian’ny fandaminana mialoha ny fifidianana aorian’ny fiantsoan’ny FFKM foibe ny hery velona hifampidinika momba ny raharaham-pirenena, izay hatao eny Andoharanofotsy, ny 29-31 aogositra ho avy izao.
