Antsirabe: Hanatrika ny famoahana mpianatra ho manamboninahitra ny filoha
Hitodi-doha any Antsirabe ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina anio 28 aogositra 2023 hanatrika ny lanonana ara-miaramila « Fandresena » 2023, izay hamoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra ho manamboninahitra avy amin’ny andiany mivantana faha-44 « Amiraly Didier RATSIRAKA » ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Hitohy ny tolakandro amin’ny fitokanana ny vala-java-boahary ao amin’ny distrikan’i Mandoto kosa izany fandaharam-potoanany izany.
