ActualitésTsidika

Hotanterahina amin’ny alina ny matso fankalazana ny 26 jona

Afaka andraisana ny fankalazana ny fetim-pirenena ny kianjan’ny Bareo araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny fitsiadiana nataony tany an-toerana ny 14 jona lasa teo. Nisy kosa anefa fiovana nentina satria hotanterahina amin’ny alina ny matso izay atao amin’izany. Antony nahatonga izany, araka ny fanazavana, azo ny fanararaotana ny jiro sy ny hakanton’ny kianja amin’ny alina mba andravahana io seho io. Raha tsiahivina dia olona 8 000 ihany no voalaza fa ho asaina, miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo lehiben’andrim-panjakana. Izany rehetra izany dia ho tanterahina ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana hatrany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire