Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala mando anio 22 jona
Mbola tsy foana tanteraka ny ala mando eto Madagasikara. Amin’iny faritra Atsinanana sy avaratra Atsinanan’ny nosy iny no tena ahitana azy. Azo sokajiana ho harena sarobidy ny fananana izany noho izy miantoka ny fivelonan’ny mponina manodidina eny an-toerana, amin’ny alalan’ny famatsiana rano fisotro sy fanampiana amin’ny asa fambolena sy fiompiana ary eo amin’ny fahazoana herinaratra ihany koa.
Miisa enina ireo valanjavaboahary ala mando eto Madagasikara raha amin’iny ilany Atsinanana iny, dia Marojejy, Masoala, Zahamena, Ranomafana, Andringitra ary Andohahela. Mirakitra ireo harena voajanahary toy ny karazam-biby sy zavamaniry maro ireo, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tsara hatrany ny miaro izany zava-tsarobidy izany noho ireo tombontsoa marobe toy ny fanampiany amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro.
Hasina Rasamimanana
