Mitaky fanadihadiana amin’ny zava-nitranga tany Toliary ny SECES
Nivoaka tao anatin’ny fahanginany manoloana ireo korontana manao tohivakana amin’ireo oniversity eto Madagasikara ny eo anivon’ny SECES Tana. Efa nisy ny fanambarana nataon’ny manam-pahefana any amin’ny faritra Toliara izay nisehoana fitokonan’ny mpianatra namoizana ain’olona mihitsy, fa nisy ambadika sy mpanohana hafa ireo mpianatra ary nozaraina mitentina 3tapitrisa ariary tamin’ny fikonokonana sy fanantanterahana ireny fitokonana ireny.
Maro ireo ahiahy tsy ihavanana mipetraka vokatry ny tifitra sy aina nafoy tany an-toerana. Manameloka tanteraka ny herisetra niseho izay namoizana aina ny eo anivon’ny fikambanan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo ary handray fepetra manoloana izany. Nanambara noho izany ny SECES Tana fa hanokatra fanadihadiana, ary mangataka ny fitoniana sy ny fanajana ny soatoavina mandala ny aina avy amin’ny tsirairay mba tsy hanindroa ny toy ireny.
Mangataka ihany koa izy ireo ny amin’ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra sy hitondrany vahaolana maharitra manoloana ireo olana maro eny anivon’ny anjerimanontolo. Manantena filaminana avy amin’ny rehetra ihany koa anefa izy ireo mandrampahita ny vahaolana azo haroso sy maharitra.
Ally Herisoananahary
