SocialTatitra

Arabie Saoudite : Handray anjara amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro

Nanambara ny fandraisany anjara amin’ny fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro i Arabie Saoudite ny sabotsy 27 martsa lasa teo. Isan’ny firenena mpamokatra solika betsaka indrindra maneran-tany izy ary nametraka fanamby ny hamboly azo an-tapitrisany maro mandrindra ny taona ho avy. Hampihaina ny famokarana CO2 ihany koa izy raha ny fanazavany. Hiezaka hampiasa farafaha-keliny 50% amin’ny angovo azo havaozina ireo mponina ao Arabie Saoudite hatramin’ny taona 2030. Tamina fifandraisana an-tsoratra avokoa no nampitan’ny governemanta ireo fampahalalam-baovao ireo tamin’ny mpanao gazety. Tsy namaritra kosa anefa izy ireo ny amin’ny paik’ady entiny manatanteraka ireo fanamby isan-karazany napetraka, anisan’izany ny fomba hambolena hazo amina tapitrisany sy ahafahana mikolokolo azy ireo. Isan’ny toerana mbola mijaly ara-drano i Arabie Saoudite amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny orana noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

Laisser un commentaire