Europe : Aigle royal, biby tsy mamela mahazo
Karazam-borona ao amin’ny fianakavian’ny « Accipitridés » ny Aigle royal. Omena ny anarana siantifika hoe « Aquila chrysaetos » izy. Ao amin’ny faritanin’i Europe, Afrique avaratra, Amérique avaratra ary Asie no tena ahitana azy.
Miloko volontany matroka ny Aigle royal, misy volo miloko volontany ranombolamena ihany koa izy eo amin’ny lohany sy ny tendany. Tsy mamela mahazo io voromahery io. Haingam-pandeha, mailamailaka sy kingakinga ary manana hoho mafy sy matanjaka ka afaka misambotra ny rembiny mora foana.
Nanana laza tsara ny Aigle royal hatrany amin’ny fahagola. Nohon’ny hakingany sy ny tanjany dia nampifandraisana tamin’ny masoandro, tselatra sy varatra izy. Iraka sy mpitondra hafatr’Andriamanitra, mpanolo-tsaina, maneho fahefana, marikin’ny fitsanganana amin’ny maty io vorona io ho an’ny foko sy firenena maro. Anisany nino izany ireo olona tao Grèce, Romains, Aztèques, Byzance, i Napoléon.
