ActualitésTatitra

Mali : Niala i France sy ny mpiara-miasa aminy

Nanao fanambarana i France ny alakamisy 17 janoary maraina teo fa hiala ny faritanin’i Mali izy sy ny mpiara miasany avy ao Europe sy Canada. Nanazava izy ireo fa noho ny sakantsakana ataon’ireo manam-pahefanan’ny tetezamita ao an-toerana dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny asa tokony sahanin’izy ireo.Tsiahivina fa miara miasa amin’ny Barkhane sy ny tafika « Task Force Takuba » miady amin’ny mpampihorohoro ao Mali i Canada sy ireo firenena ao Europe. Noho ny toe-draharaha ara-politika sy arak’asa ary ara-dalàna nefa tsy afaka manohy amim-pahombiazana ny faboloran-tenany ara-tafika intsony izy ireo.

Laisser un commentaire