Tonga tsikelikely ny mpitsidika ny parc Tsimbazaza
Miha mitombo tsikelikely ny mpitsidika ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza amin’izao vanin’andro fialan-tsasatra izao. Mila ho isan’andro mihitsy ireo olona no tonga mijerijery ny zava-misy any an-toerana. Efa saika vita avokoa ny fanadinana ka mba mivoaka kely ny ankizy hiala-voly.
« Izahay izao avy any amin’ny faritra fa tonga eto mitondra ny vady aman-janaka mba hijerijery ny biby sy zava-maniry misy ato » hoy i Hermé, raim-pianakavina. « Vita fanandinana ny ankizy ka mba entina mivoaka kely miala kely amin’ny rotoroto mahazatra izy ireo », hoy izy. Na miverina tsikelikely aza anefa ny mpitsika, dia tsy mahasehaka ny fandaniana ao amin’ny parc izany raha ny fanazavana nomen’i Raveloarinoro Gisèle, Tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny parc Tsimbazaza.
Taorian’ny covid-19 izay nametra ny fihibohana, dia izao vao manomboka mivoaka tsikelikely ny mpitsidika. Maro ny zava-maniry tsy fahita sy miavaka hita ao izay mampiavaka an’i Madagasikara ary toy izany koa ny biby. Betsaka anefa ny mbola tsy nitsidika ny tao izay hanentanana antsika satria ny vola fidirana ihany no entina hampiodinana io valanjavaboahary izay sady harena ho an’ny firenena io.
Nicole Rafalimananjara
