Misy ny tetik’asa entina hampivoarana ny fambolena any amin’ny faritra Atsinanana
Isan’ny tanjona ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena, hany ka natsangan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny tetik’asa « Tontolo voajanahary Lovainjafy amin’ny ilany Atsinanan’i Madagasikara ».Nisy ny tosika natao tamin’ireo tantsaha tao Andranomaitso, kaominina Antaretra, Distrika Ifanadiana amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo masomboly. « Masomboly tsaramaso Lingot blanc 820 kilao no nozaraina ho an’ireo fikambanana Koloala miisa 41 ka samy nahazo 20 kilao avy » hoy ny solontenan’ny Conservation Internationale izay miandraikitra ny tetik’asa. « Rehefa manana foto-pivelomana ny mponina ifotony dia azo antoka fa hampihena ny tsindry mihatra amin’ny tandavan’ala Ambositra-Vondrozo izany » hoy kosa ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. »Olana ho anay mihitsy ny masomboly ka tsar any fanohanana tahaka izao mba handrosoan’ny sehtra fambolena » hoy i Rosette, mpamboly. Ankoatra ity hetsika ity, nohamafisina ihany koa ny ady amin’ny doro tanety sy ny fambolenkazo tany an-toerana izay miantoka indrindra ny fiainan’ireo tantsaha amin’ny fiavian’ny rotsa-korana. Sehatra mila fanohanana tokoa ny fambolena izay tena loharanom-piveloman’ny ankamaroan’ny vahoaka eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
