ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Ho atsangana ny tsena lehibe

Isan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny kaominina ao Anosy Avaratra ny hanangana Tsena lehibe ao an-toerana. Tena hanampy sy hanafaka ny fahasahiranan’ny mponina ny fisian’izany tsena izany.

« Afaka miroborobo tsara ny fambolena sy ny fiompiana eto Anosy Avaratra. Efa akaiky ny toerana hivarotana ireo vokatra. Tsy hanano-sarotra ny fanapariahana izany. Tsy lavitra intsony ihany koa izahay miantsena » hoy i Gilbert, mponina ao Anosy Avaratra. « Tombon-tsoa maro no azo sitrahana amin’ny alalan’izao Tetik’asa Tsena izao. Voalohany amin’izany ny fampidiram-bola maharitra ho an’ ny kaominina. Eo ihany koa ny fanomezana asa maharitra ho an’ny mpivarotra sy ny mpamboly ary ny mpiompy » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc.

Handalo fanadiovana avokoa ireo entana amidy eto vao ho haranty. Efa hisy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina hanara-maso izany. Tsara raha mifanohana amin’ny fahatontosan’ity tetik’asa manakaiky ny vahoaka ity ny rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire