Efa tafiditra anatin’ny vanim-potoana ririnina tokoa ve isika eto Madagasikara ?
Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia efa re tokoa ny hatsiaka sy ny fiovan’ny toetr’andro. Arahina erika manify mihitsy aza rehefa maraina. Raha ny tarehimarika navoakan’ny mpahay toetr’andro anefa dia tsy mbola tena tafiditra tanteraka amin’izay hoe « vanim-potoanan’ny ririnina » izay isika. Ny volana May vao tena azo lazaina fa manomboka ny ririnina, ary eo anelanelan’ny volana jona katramin’ny jolay no tena mangatsika indrindra raha eto Madagasikara. Mety hidina hatramin’ny 10°C ny mari-pana amin’ireo fotoana ireo.
