Alasora : Mikatona ny biraon’ny Kaominina
Mikatona ny biraon’ny Kaominina anio 12 Aogositra 2022. Izany dia noho ny fitokanana ny Brigadin’ny Zandarimariam-pirenena ao Alasora.
“Mitohy hatrany ny ezaka ho amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna. Hotokanana ny Brigadin’ny Zandarimariam-pirenena eto mba hanamafisana hatrany ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. “Ilazana isika mpanao raharaha rehetra eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Alasora amin’ny fikatonan’ny Birao mandritra io andro fitokanana ny Brigadin’ny Zandarimariam-pirenena io” hoy hatrany ny avy ao amin’ny Kaominina.
Marihana fa tontolo andro mihitsy izany tsy fiasan’ny birao izany. Tsara foana ny mifanohana ao anatin’ny asa fampandrosoana mba hisian’ny filaminana.
Nicole Rafalimananjara
