Russie : Bouranovskie Babouchki, ireo reniben’i Bouranovo
Ny Bouranovskie Babouchki dia vondrona mpihira nentin-drazana avy ao amin’ny tananan’i Bouranovo faritanin’i Oudmourtie ao Russie. Mampiavaka an’io tarika io ny mpikamabana ao aminy izay vehivavy lehibe avokoa araka ny anaran’ny tarika, izay midika hoe « ireo reniben’i Bouranovo ». Tany amin’ny 40 taona lasa tany no niforona ny tarika ary ny taona 2008 izy ireo vao niakatra an-tsehatra voalohany nandritra ny “Andron’ny tenin-dreny”.
Mihira amin’ny fiteny Oudmoutre ireo renibe ireo. Valo no mpikambana ao amin’ny tarika, Ekaterina Chkliaïeva, Valentina Piatchenko, Galina Koneva, Granya Baysarova, Olga Touktareva, Zoya Dorodova ary Alevtina Beguicheva. Manomboka amin’ny 54 hatramin’ny 84 taona izy ireo.
