Fanondrana lavanila: Hentitra ny fahazoana ny fahazoan-dalana
Notanterahina ny marainan’ny 11 aogositra, tetsy amin’ny biraon’ny ministera tetsy Ambohidahy ny fanaovana ny mangarahara momba ny fahjazoan-dalana hanondrana lavanila, ho an’ny taom-piotazana 2022-2023
Mpandraharaha 70 no nahazo fanavaozana fahazoan-dalana hanondrana lavanila. Araka ny fanambarana nataon’ny ministry fampiroborona ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy, “tsy misy ny ampahimamba fa tsy maintsy mahafeno ny fepetra ireo mapndraharaha afaka manondrana lavanila makany ivelany”. “70 ihany no nahazo taratasy avy amin’ny FINEX ary mampody ireo vola vahiny azony tamin’ny fanondranana lavanila, izay ilay fanarahana fepetra” hoy hatrany ny ministra misahana ny varotra.
Ara-tarehimarika dia 262 ireo fangatahana fahazoan-dalana hanondrana lavanila voaray ka ny 97 amin’ireo dia fangatahana fanavaozana raha fangatahana vaovao ny 165. 90 tamin’ireo orinasa efa nanondrana lavanila teo aloha no nahafeno ny antontan-taratasiny. Tsy nahazo fanamarinana fampodiana vola vahiny vidin’ny lavanila naondrana anefa ny 20, araka ny fanazavana hatrany.
Manitra Ramanantsoa
