Faritra Atsimo Atsinanana : Notokanana ny tetezana vaovao
Nisy ny fanolorana sy fanokanana ny tetezana Belinta ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana tamin’ity herinandron’ny voalohan’ny volana aogositra ity izay notarihin’ny governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana.
Efa 35 taona izao no tsy nasiam-panamboarana ity tetezana ity, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Etrotroka, distrikan’ny Farafangana, izay nampikaikaika ny mponina noho ny tsy fahafahana mampita ny entana sy mifamezivezy. Saro-dalana ny tanàna, ary anisan’ny manampy ireo mponina amin’ny fitaterana ireo entana, ny famoaham-bokatra ary indrindra amin’ny fanantonana toeram-pitsaboana izay hitondrana ireo marary ao amin’ny kaominina ny fahavitan’ny foto-drafitr’asa izay nambaran’ireo lehiben’ny distrika sy ny solontenan’ny manam-pahefana tany an-toerana fa an isan’ny antoka hisian’ny fandrosoana ho an’ny tanàna.
Nisy ihany koa ny fanomezana jiro hanazavana ny tanàna ao an-toerana hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ary hisy ezaka ho fanatsarana ny lalana.
Manitra Ramanantsoa
