Afrobasket U18 : efa vonona ny ekipam-pirenena « Ankoay » lehilahy
Ny ekipan’ny Ankoay lahy sy vavy no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fifaninana iraisam-pirenena basketball eto Africa latsaky ny 18 taona, izay atao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, nanomboka ny 04 oagositra 2022.
Ny zoma 05 agositra no iatrika ny fifandonana voalohany amin’ny Benin i Madagasakara ao amin’ny vondrona misy azy amin’ilay lalao ity ireto ekipan’Ankoay sokajy lehilahy ireto. Haharitra 11 andro ny fihaonana amin’ireo lalao ifanitsanan’ny firenena avy aty afrika amin’izany. Firenena 9 no mandray anjara ao anatin’izany toa an’i Senegal, Algérie, ary Bénin, izay iray vondrona amin’ny Madagasikara; ao natin’ny vondrona B kosa no misy an’i Mali, Egypte, Angola ary Rwanda.
Efa ny andron’ny 03 aogositra dia efa teto Antananarivo ireo ekipa avy any amin’ny firenena hafa sy ireo mpanazatra iraisam-pirenena hitsara ny lalao ary vonona tanteraka ireo ekipam-pirenena amin’ny fiatrehana izany lalao izany, izay ialohavan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny andro’ny zoma ihany.
Manitra Ramanantsoa
