CultureTsidika

Torohevitra : Miaro amin’ny AVC ny fihinanana chou-fleur

Fotoana fiakaran’ny chou-fleur tokoa amin’izao fotoana izao, ary maro be izy ireny hitantsika eo an-tsena fivarotana legioma eny.

Ny chou-fleur dia manan-karena singa sy otrikaina izay ilain’ny vatana. Mahasalama ary miaro amin’ny aretin samihafa ny fihinanana azy toa ny homamiadana sy ny aretin’ny fo.

Mampatanjaka sy mampatsilo saina ihany koa izy satria ahitana karazana vitamine toy ny B1, B2, B3, B6 ary ny B9 ; ahitana ihany koa ny vitamine K. ankoatra izay, dia legioma mitondra faosifaoro, pôtasioma ihany koa izy io izay tena ilaina idrindra amin’ny ankizy.

Anisan’ny miady amin’ny AVC ity legioma ity noho ny fananany « antioxydants » betsaka izay miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalan-drà.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire