ActualitésTsidika

Faritra Boeny : Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana

Hanjakan’ny tsy fadriam-pahalemana hatrany amin’iny faritra Boeny iny izay voalaza ho faritra mena tokoa. Nahomby ihany koa ny fiasan’ny mpitandro filaminana ka nahazoana izao vokatra izao.

Dahalo 3 no lavon’ny zandary sy ny fokonolona, omby 15 tafaverina tamin’ny tompony tao Ambinanikely, kaominina Marosakoa distrikan’i Marovoay. Mitondra fitaovam-piadina mihitsy ireo dahalo rehefa miasa ka basim-borona sy zava-maranitra no entin’izy ireo amin’izany. Raikitra ny fifandonana rehefa nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana sy ireo fokonolana ireo dahalo ka izay no nakalavo ireto dahalo miisa 3 ireto.

« Anjara asanay mpitandro filaminana ny miaro ny vahoaka sy ny fananany, izahay eto anivon’ny zandarimariam-pirenena no akaiky ireo aty ambanivohitra ka mametraka ny fitokisany aminay izy ireo ka tsy ho ataonay ambanin-javatra izany fahatokisany anay izany », hoy ny kaomandin’ny zandarimaria ao Marovoay. « Efa ireo gendarme ireo foana no miara-miasa aminay hahazoanay vokatra ohatran’izao fa misy manko ny olona sasany milaza fa tsy mba miasa ireny zandary ireny fa mipetrapetraka fotsiny, izahay aloha manaksitraka azy ireo mihitsy », hoy i Aline, mponina ao Marosakoa.

Matoa napetraka ny rafitra mpitandro ny filaminana dia manana ny asany sy mitana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiaraha-monin izy ireny. Hialana amin’ny fitsaram-bahoaka koa no antom-pisiany ary andraikiny ny miaro ny olona tsirairay eny fa ireo mpanao ratsy aza.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire