Dépêches

Covid-19: niakatra ny isan’ireo mitondra ny tsimok’aretina.

Dépêche 26 septembre, 12h, Toy ny isan-kerinandro dia avoakan’ny avy ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny antontan’isa mahakasika ity valan’aretina ity. Raha ampitahana ny tamin’ny erinandro lasa dia niakatra indray ny isa satria dia 16 be izao ireo olona mitondra ny tsimok’aretina covid-19 ankehitriny. Avy eto amin’ny faritra Analamanga daholo ireo olona ireo raha ny voalaza. Mbola misy hatrany moa ity aretina ity ka ilaina hatrany ny mailo sy mitandrina.

Laisser un commentaire