Raharaha volamena 73.5 kilao tratra tao Afrika Atsimo :
07 May, 08h30. Mitohy hatrany ny fifampiraharahana amin’ny Fanjakana Afrika Atsimo sy ny Fanjakana Malagasy amin’ny fampodiana eto Madagasikara ireo volamena 73,5 kilao voatazona any Afrika Atsimo sy ireo telo lahy nanondrana azy an-tsokosoko. Amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Raharam-bahiny izay miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika no hanatanterahana izany. Nolavin’ny fitsarana Afrika Atsimo ao Kempton Park ny fangatahana vonjy maika arahina antoka nataon’izy telo lahy,araka ny didy nivoaka ny 4 may 2021. Mikasika ny fangatahana fampodiana ireo volamena nogiazana kosa dia mbola mitohy ny fifampiraharahana eo amin’ireo tompon’andraikitra Malagasy sy Afrikana Atsimo.
