Rolly Mercia : Hivoaka anio ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha mahavoarohirohy azy
07 May, 07h50. Andrasana amin’ity zoma 7 may 2021 ity ny didim-pitsarana havoakan’ny Fitsarana ambony eto Antananarivo mikasika ny raharaha mahavoarohirohy an’i Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia, minisitry ny serasera teo aloha, sady mpanao gazety ihany koa. Anisany iampangana azy ny fanakaramana olona hitarika hetsika ho fanohitohinana ny filaminana anatiny. Nisy lehilahy efatra ihany koa voatazona niaraka taminy. Nomelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, higadra 44 volana an-tranomaizina sazy mihatra izy. Nanomboka ny tapaky ny jolay 2020 no efa nitazomana vonjimaika azy tao amin’ny fonjan’Antanimora. Mitaky ny hamotsorana azy ireo mpisolovava azy, na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Misy ireo porofo samihafa narotsak’ireo mpiaro azy ireo mahakasika izany
