Mpanazatra Barea : Tsy hay intsony hoe iza no manapakevitra
Miantona hatreto ny fampiantona an’i Nicolas Dupuis ho mpanazatra ny ekipampirenena Barea, raha nambaran’ny filoha lefetry ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra. Araka izany dia mbola tsy voafaritra ho mpanazatra ofisialy ny Barea i Eric Rabesandratana. Tsy maintsy hisy ny fifampidinihana eo amin’ny “comité exécutif”, ny ministera ary ireo mpanazatra maromaro hindinika ny fanapaha-kevitra ho raisina ny amin’ny hitazomana ny Nicolas Dupuis na tsia. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny FMF, izay eken’ny CAF sy FIFA mantsy ity fanapahan-kevitra hampiantona an’i Nicolas Dupuis ity, ary ny nanendrena an’i Eric Rabesandratana ho mpanazatra raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny FMF hatrany. Tsy nandalo teo anatrehan’ny komity mpanatanteraka ny fanapahan-kevitra. Tokony hisy haingana ny marimaritra iraisana eo amin’ny telo tonta ho fanomanana ny lalao voalohany ho amin’ny fifanitsanana iraisam-pirenena ny 2022 izay hihemotra ny volana septambra 2021.
Ally Herisoananahary
