Royaume-Uni : Lasa masoivoho ny solotenan’ny Union Européenne
Nanaiky ny hanoloana ny solontenan’ny Union Européenne any Londres ho masoivohon’ny Royaume-Uni ny alarobia 05 May teo izay efa nifanarahan’ny roa tonta izany taorian’ny nialàn’ny Royaume-Uni tao amin’ny Union Européenne. Nihaonan’ny lehiben’ny diplaomasia ao Grande-Bretagne, Dominic Raab sy ny lehiben’ny diplaomasia ao amin’ny Union Européenne, Josep Borrell, ity fifanarahana ity izay natao ivelan’ny fihaonan’ireo G7 tany Londres. Raha tsiahivina, niala tao amin’ny Union Européenne ny Royaume-Uni ny 31 Janoary 2020 lasa teo.
