ActualitésTsidika

Fakàna sary miboridana : miha malaza ankehitriny

Manomboka malaza eto madagasikara ankehitriny ny fakàna sary somary miboridana ireny, ary efa manomboka miompama mankany amin’izany ny sasany amin’ireo mpaka sary matianina. Tsikaritra tato ho ato tamina pejy ivondronan’ireo mpaka sary fa ireny karazan-tsary ireny ndray mo manomboka voizina. Anisan’ny naneho ity fomba fangalana sary ity ny mpilalao sarimihetsika malagasy iray tao amin’ny Novegasy. Sary izay nalefany tamin’ny tamba-jotra sosialy Instagram no nisy nanaparitaka amin’ny tamba-jotra sosialy facebook mba entin’ireo mpankahala hanasoketana azy. Ny facebook tokoa mantsy no mbola hany tamba-jotra ampiasan’ny malagasy amin’ny fisian’ireo tolotra tsy ilana fahana. Marihina fa sady mpilatro no mpilalao sarimihetsika ilay tovovavy niharan’izany, ary dia miteraka fanaratsiana eo amin’ireo tontolo ireo izany. Raha ny nambarany dia efa tamin’ny 2009 izy no nanao ity fomba fangalana sary ity, ary tokana ny hafatra ampitainy amin’izany dia ny fanehoana fa tsara ny vatana. Rehefa nanomboka nalaza ny tenany tamin’ilay sarimihetsika nivoaka ny taona 2020 dia nanomboka nanaratsy ihany koa ireo mpanaraka sasany. Anisany nanamarika ny tontolon’ny horonan-tsary malagasy ny taona 2020 tokoa ny « Lova » ka nitodika tany aminy avokoa ny mason’ny mpanaraka. Tsy maintsy ahitana tsikera hatrany anefa ny olo-malaza.

Nanamarika ny sary mavoakan’ilay tovovavy ihany koa ny fahitana tsatsakoatra amin’ny sary ka izany koa no tena niompananan’ny fanaratsiana. Tsy azo atao tokoa ve ny maneho ny zava-misy, sa misy ireo minia tsy mahita. Mbola tsy zakan’ny sain’ny malagasy sasany hatreto ny fahitana ireny sary miboridana ireny. Miverina mankany amin’ny « kolon-tsaina » hatrany ny Malagasy raha vao mahita toe-javatra sahala izany. Samy tsy misy te hahalala izay tena zava-misy marina anefa fa mionana amin’izay mampiety ny sainy avokoa eo amin’ny lafin’ny fomba fijery. Rehefa haneho hevitra na hanohana hevitra iray dia mila fikarohana aloha vao tokony hanatanteraka izany. Tsy nozarina tamin’ny toe-tsaina tia karokaroka ny mpianatra, ka izany no mahatonga azy milaza izay tiany ambara eny, na diso izany na marina. Misy fiantraikany amin’ny olona iray ny fanehoan-kevitra, na tsara io na ratsy, araka ny nambaran’i Dale Carnegie, mpanoratra nandrakitra ny heviny tao amin’ny boky « Comment se faire des amis ».

Efa afaka mikirakira ity tamba-jotra sosialy ity avokoa ankehitriny na ny tanora na ny olon-dehibe, ary dia liam-pivoarana tokoa ny olona. Eny na dia mbola kely aza ny ankizy dia zarina amin’ny tekinolojia sy ny kilalao amin’ny finday ary solosaina ireny raha ny tsikaritra eny amin’ny andavan’androm-piainana eny. Koa mivoatra mankaiza ary izany fivoarana izany. Moa mivoatra araka ny tokony ho izy izany eto madagasikara.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire