Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao : Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahasalaman’ny vahoaka
Isan’ny iankinan’ny fiainam-pirenena ny fivoaran’izao tsimok’aretina Covid-19 satria nanjary niteraka krizy maro tamin’ny vahoaka izany, tsy lazaina intsony ny ara-pahasalamana, fa indrindra ny ara-toekarena sy ny ara-pampianarana. Nanjary toa vao maika nandatsaka ny firenena tamin’ny lalina, hoy ny voalazan’ny mpanao gazety Gascar Fenosoa nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin’ny filoham-pirenena sy ireo minisitra maromaro. Fa tsy afa-bela amin’izao krizy ara-pahasalamana izao ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka izay miahy ny ara-pahasalamana kanefa potika ny ara-pahasalamana ankehitriny. Anatin’izao ady amin’ny valan’aretina izao mihitsy no tena hiasan’ny minisiteran’ny fahalamana, ary ity minisitera ity no tena hitontonan’izany. Voafehy ve nefa ny aretina ? Voafehiny manaraka izany koa ve ny asany izay tarihan’ny Minisitra Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao ? Marina fa tsy afa-bela ny filoham-pirenena saingy ao anatin’ity Minisitera ity no nametrahany ivondronan’ireo manam-pahaizana ara-pahasalamana hamaha ny olan’ny fahasalamana. Aiza izany ? Ny fahasalamana tokoa mantsy no voalohan-karena. Latsaka an-katerena ny firenena, marary ny ara-pahasalaman’ny vahoaka ka nanjary nampisakana ny sehatra rehetra izany. Andraikitr’iza ? Mbola mahavita ny asany ve ny Minisitry ny fahasalamana, Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao ankehitriny ? Tsy tokony ho olana ny fisian’ny tranga « positif » 34 tao anatin’ilay sidina Air France farany teo hoy ity Minisitra ity ny 30 aprily teo. Fony izy ireo niisa 34 fa ankehitriny 12 ireo hita fa mitondra ny aretina. Mila miatrika sy manaraka ny fandaminana izay apetraka fotsiny izy ireo hoy hatrany izy. Tsy misy dikany izany ireo fepetra marobe napetraka satria tsy olana na misy marary aza, fa inona ireny isa mivoaka isan’andro hoe lavon’ny aretina ireny ? Tena Minisitra miahy ny vahoaka manerana ny nosy tokoa ve izany ? Nanamarika ny fandraisampitenenany tato ho ato ny filazany tamin’ny haino amanjery iraisampirenena, ka nilazany fa « pas très effroyable » (isika no samy hanao ny dikanteny) ny isan’ny matin’ny coronavirus eto Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
